Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Itasy sy Boeny

👉ITASY : Mitohy tsy tapaka ny fanohanan’ny DRICC ireo tanora misehatra amin’ny fandraharahana isam-paritra. Naharitra efatra andro (19-22 avrily 2022) ny fampiofanana ireo tanora 18 mivondrona ao amin’ny Kaoperativa JETPra (Tanora mpandraharaha amin’ny fanodinana ny vokatry ny fambolena) ao amin’ny Distrikan’Arivonimamo ho matihanina kokoa eo amin’ny lafiny legioma sy voankazo.

👉BOENY : Nampahafantatra ireo lalàna mifehy ny varotra sy ny fanjifana ny Fitaleavam-paritra. Ny 23 avrily 2022 ny DRICC no nivahiny tao amin’ny haino aman-jery Don Bosco any an-toerana araka ny fangatahan’ny Bianco Mahajanga. Nitondra fanentanana ho an’ny mponina ihany koa ny DRICC momba ny fepetra famerana ny vidin’entana ilaina andavanandro sy ny fandaharanasa Taninketsa Indostrialy.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...