Fanamarinana fotaovam-pandanjana sy fitaovam-pandrefesana :maherin’ny antsasak’ireo mizana 532 notsaraina no tsy lany tany amin’ny Faritra Ihorombe

Kaominina maromaro ao anatin’ny Faritra Ihorombe no nanatanterahan’ny DRICC asa fanamarinana fitaovam-pandanjana sy fitaovam-pandrefesana ny 24 Aprily 2023 ka hatramin’ny 12 Mey 2023 lasa teo. Tsy iza ireo fa ny kaominina ambonivohitr’Ihosy, ny kaominina ambanivohitra Ambia, Zazafotsy, Ranohira, Manombo ary Andohan’Ilakaka.

Tamin’ireo mizana Roberval 451 notsaraina dia 223 no lany. Ny 228 kosa dia tsy nahafeno fepetra ka tsy maintsy namboarina. 81 ny mizana Bascule ka ny 19 no lany. 62 no tsy lany ka tsy maintsy nandalo fanamboarana ihany koa.

Nisy metatra hazo 24 koa notsaraina ka 18 no lany. Ny 6 tsy lany dia tsy azo ampiasaina intsony .

Marihina fa tena navitrika ireo mpandraharaha ara-barotra tonga nitondra ireo fitaovam-pandanjana sy fitaovam-pandrefesana ho tsaraina raha miohatra amin’ny tamin’ny taona lasa .

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...