Fanatanterahana ny fifanekena momba ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria

Nampahafantarina an’ireo matihanina amin’ny fampiasam-bola ny mikasika ny Tahiry momba ny fampiasam-bola ara-indostria (FII).

Tao amin’ny Foiben-toeran’ny Société d’encouragement pour l’industrie nationale ao Paris renivohitr’i Frantsa no nanomezam-baovao an’ireo mpampiasa vola mikasika ny Tahiry momba ny fampiasam-bola ara-indostria (FII) eto Madagasikara. Nifarimbonan’ny Mpanolotsaina teknika eto anivon’ny MICC, Christian Rasoamanana sy Filohan’ny FIVMPAMA Rivo Rakotondrasanjy izany famelabelarana momba ny FII izany omaly Alakamisy 21 Septambra 2023.
Izany no natao dia ho tohin’ny antso iraisam-pirenena hanaovana tolo-bidy hifantenana ny mpitantana hampiodina ny FII.
Sary Nomena

Vous aimerez aussi...