Fanatanterahana ny tetikasa fanondroana ara-jeografika

Nampahafantarina ny parlemantera ilay volavolan-dalàna momba ny Fizakamanana ara-indostria

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fandrindran-draharaha ny Lalàna ahafahana mampandroso amin’ny sehatra rehetra. Natolotra teo anatrehan’ny parlemantera tamin’ny alalan’ireo solontena avy ao amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona tonga tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina ny volavolan-dalàna momba ny Fizakamanana ara-indostria.
« Zava-dehibe ho an’ny fizakamanana ara-indostria ny fanatsarana ny lalàna momba fizakamanana ara-indostria, ny firosoana amin’ny fanondroana ara-jeografika satria ahafahana miaro sy manome hasina ny toerana niavian’ny vokatra izany», hoy ny Solombavambahoaka voafidy tao Tsiroanomandidy sady mpampaka-teny ankapobeny lefitra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, Harison RAHOLIJAONA.
Manan-danja ho an’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) sy ho an’ny OMAPI ny fankatoavana ity volavolan-dalàna momba ny Fizakamanana ara-indostria ity satria hanampy betsaka amin’ny asa sahanin’ny Minisitera. Niantso ny fifanohanan’ny rehetra ny Sekretera jeneralin’ny MIC Vahinisoa RASAMOELY mba hahatanteraka hatramin’ny farany ny fandaniana ny volavolan-dalàna. Ny Tetikasa Fanondroana ara-jeografika dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana izay voasoratra ao anatin’ity volavolan-dalàna momba ny Fizakamanana ara-indostria ity.

Vous aimerez aussi...