Fanatsarana ny raharaha ara-barotra

Atrikasa fankatoavana ny voka-panadihadiana notohanan’ny Tetikasa « Cadre Intégré Renforcé » (CIR)
Lohahevitra roa lehibe eo amin’ny fanatsarana ny raharaha ara-barotra eto Madagasikara ka ilam-pankatoavana eo amin’ireo mpisehatra eo amin’ny varotra no nentina androany 08 Desambra 2023 tetsy amin’ny Havana Resort Ambohidahy. Atrikasa momba ny voka-panadihadiana notohanan’ny Tetikasa CIR no niantsoana an’ireo mpisehatra ara-barotra. Tamin’izany no nijerena ny drafitra fohy ezaka ho an’ny fampandrosoana eo amin’ny varotra na PMTC (2023-2027) sy tahirin-kevitra amin’ny fiantraikan’ireo fifanarahana nosoniavina sy nankatoavin’i Madagasikara ary ny paikady fandraisan-toerany eo amin’ny varotra iraisam-pirenena. Lalana iray ahafahan’ny firenena malagasy manangana paikady ho fampivelarana ny varotra sy hanatsarana ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena ireto fitaovana ara-kevitra nilàna fankatoavana ireto.
Manohana hatrany ny hetsika toy izao ny MICC, hoy ny Tale Jeneraly misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (DGCC) Isidore Razanakoto. Ireto tahirin-kevitra ireto no ho tondrozotra entin’ireo mpisehatra ara-barotra (na ny rafi-panjakana na ny sehatra tsy miankina) hamolavolana paikady hampivelarana ny sehatr’asa indrindra ny fifanakalozana ara-barotra.
Mikendry indrindra ny hafangainam-pandeha eo amin’ny fitomboana ara-toekaren’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fampandrosoana ara-barotra ireto tondrozotra ireto. Ny seha-pihariana notsongaina dia ireo seha-pihariana laharam-pahamehana eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena toy ny fandraharahana eo amin’ny fambolena, ny fanodinana ny harena ankibon’ny tany, ny lamba, ny landihazo (coton), ny fizàhan-tany, ny teknolojia ary ny asa-tanana.
Singa heverina fa mila fanatsarana ny fisian’ny fitoniana ara-politika, ny fanohizana ny asa rehetra eo anivon’ny Rafi-panjakana , ny fitohizan’ny fanatsarana samihafa , ny fifampiresahana tsy tapaka eo amin’ny Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ary ny firobohan’ireo mpiara-miombona antoka voakasika rehetra.

Vous aimerez aussi...