Fanatsarana ny tontolo fandraharahana: amafisina ny fahaiza-manaon’ireo Tale misahana ny Lalàna avy amin’ny Ministera rehetra, ny Antenimieram-pirenena ary ny Antenimieran-doholona

Nanomboka omaly 3 Mey ka hatramin’ny rahampitso 5 Mey 2023 etsy amin’ny CCIA Antaninarenina ny fanatevenana ny fahaiza-manaon’ireo Tale misahana ny Lalàna ireo.
Ny fanatsarana ny tontolo fandraharahana ary ny fahafehezana ny lalàna sy ireo andraikitra manandrify ny rafitra tsirairay mba hisintonana ny mpampiasa vola sy hihazonana ny efa mampiasa vola eto an-toerana no imasoana.
Ny fivondronan’ny firenena Afrique, Caraïbes, Pacifique, ny Vondrona Eoropeana ary ny Banky iraisam-pirenena no mpiara-miombon’antoka miara-misalahy amin’izao fiofanana izao. Eo koa ny Economic Development Board izay misahana ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola.

Vous aimerez aussi...