Fanavaozana momba ny kaoperativa: lany tsy nisy nitsipaka teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Volavolan-dalàna mifehy ny Orinasa kaoperativa

« Fantatsika fa zava-dehibe ny fisian’ny kaoperativa ivondronan’ireo mpamokatra any ifotony any. Ireny no mitambatra, no ahafahantsika miala amin’ny tsy fahampian’ny vokatra eto an-toerana. Raha mitombo ny vokatra dia hihena ny fanafaran-tsika entana avy any ivelany. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny kaoperativa”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny famelabelarana fanolorana ilay volavolan-drijantenin-dalàna nanoloana ireo Solombavambahoaka teny Tsimbazaza omaly Talata 6 Jona 2023.

Mila hatsaraina, araka izany, ny fiasan’ny kaoperativa. Nahoana tokoa moa, raha itantsika izao ny any ivelany any, voapetraka tsara ny hoe ity vokatra ity dia novokarina tany amin’ny toerana izao. Dia omena eo avy hatrany ny toerana namokarana ny vokatra. Zatra an’iny avy hatrany ny mpanjifa.

“Nahoana moa ny antsika no tsy mba azontsika aseho ny hoe: mangahazo vokatry ny kaoperativa avy any Ambatomanoina, ohatra fotsiny izany, na voatabian’ny kaoperativa any Mahitsy, kabaron’ny kaoperativan’ i Morondava, voanjo vokarin’ny kaoperativa any Ambatofinandrahana”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, notronin’ny mpikambana roa hafa ao amin’ny Governemanta.

Maro ny vokatra avy any ifotony any azontsika hakana mari-pamantarana amin’ny tena maha-natoraly azy na vokatra biolojika. Anisan’ny vokatsoa entin’ity Lalàna ity, noho izany, ny fampandrosoana ny mpiara-belona eny ifotony satria mantsy hanana ny fahafahana hivarotra ny vokatra na eto an-toerana na varotra ivelany izy ireo. Ka amin’izany dia afaka ihany koa misitraka ny “Certification “ samihafa ohatra “BIO”, “FAIRTRADE”.

Mbola handalo eny amin’ny Antenimieran-doholona ity Volavolan-dalàna mifehy ny Orinasa kaoperativa ity.

Vous aimerez aussi...