Fanavaozana ny tontolon’ny kaoperativa: dingana manaraka ny fandrosoana ny volavolan-drijantenin-dalàna mifehy ny orinasa kaoperativa eny amin’ny Parlemananta 

Noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra natao omaly Alarobia 3 Mey 2023 ny volavolan-drijantenin-dalàna momba ny orinasa kaoperativa ahafahana miroso amin’ny dingana manaraka. Efa nilaozan’ny toetr’andro mantsy ny lalàna teo aloha ka ilaina ny mampifanaraka izany amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Mahatratra 2700 ny kaoperativa voasoratra eo anivon’ny MICC (Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana) amin’izao fotoana izao. Ny 60% dia misehatra amin’ny fambolena.

Sary fanehoana

Vous aimerez aussi...