Fandraharahana

Orinasa vaovao miisa 1231 no niorina teto Madagasikara tamin’ity taona 2023 ity
Namoaka ny atontan’isany ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar). Nahatratra 1231 ireo orinasa niforona teto Madagasikara tao anatin’ny 9 volana tamin’ity taona 2023 ity.
Amin’ny ankapobeny dia ny sehatry ny lamba, ny teknolojian’ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana (TIC) ary ny varotra no mahasarika ny mpandraharaha kokoa. Orinasa 200 mahery eo amin’ny lafiny fizahan-tany koa no nanoka-baravarana.

Vous aimerez aussi...