Vienne Autriche

Nandray anjara tamin’ny fihaonam-ben’ny minisitry ny indostria avy amin’ireo tany andalam-pandrosoana (PMA) i Madagasikara
Nahitana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny MICC ny delegasiona malagasy tany amin’ny Fihaonam-be faha-10 ho an’ireo minisitry ny indostria avy amin’ny tany tratra aoriana, tany Vienne Autriche ny 24 sy 25 Novambra 2023.
Lohahevitra tamin’izany ny hoe: « Fatontoloana ara-drariny: Vahaolana vaovao ho an’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanovana ara-drafitra ireo Tany andalam-pandrosoana ».
Tanjon’ity fihaonam-be nokarakarain’ny rafitry ny Firenena Mikambana ho amin’ny fampandrosoana ara-indostria (ONUDI) ity ny fanamafisana ny fantanterahana ny Fandaharan’asan’i Doha ho tombontsoan’ireo tany andalam-pandrosoana ao anatin’ny folo taona (2022-2031)sy ho fanamafisana orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny PMA sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana aminy .
Source: DII

Vous aimerez aussi...