Fandraharahana

Nampitovy tadin-dokanga tamin’ny vehivavy mpandraharaha ny Sekretera jeneralin’ny MIC
Amin’ny maha-mpiahy ny sehatra tsy miankina ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) dia nanatanteraka fitsidihana ny Comesa Federation of Women in Business Madagascar Chapter (COMFWB) sady Filohan’ny Fivondronan’ny Vehivavy Mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM), Fanja Razakaboana tao amin’ny biraony eo Isoraka Antananarivo ny Sekretera jeneraly Vahinisoa Rasamoely Ranoelimanana.
Niarahana tamin’ny Talen’ny Miralenta ao amin’ny COMESA sy ny mpiara-miasa mandalo eto amintsika ny fihaonana. Nahafahan’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana mamaritra miaraka ny tonjozotra ifanohanana hanamafy kokoa hatrany ny taha-pahavitrihan’ny mpandraharaha vehivavy malagasy izany.
Isan’ny fandraisana andraikitra ataon’ny MIC ny hitaomana ireo ministera sy rafi-panjakana hafa mba tsy hanao ambanin-javatra ny fanangonana ny antontan’isa momba ny vehivavy mikirakira ireo rafitra rehetra misy ifandraisana amin’ny « toekarena ». Mba hanana antontan’isa ara-potoana milaza fa mandray anjara mavitrika amin’ny fandrosoan’ny firenena ny vehivavy.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...