Fandraharahana: omena fiofanana momba ny teknika fanodinana sy fitehirizana vokatra ireo kaoperativa sy orinasa madinika. 

Solontena avy amin’ny kaoperativa sy orinasa madinika miisa 20 avy ao Toamasina sy ny manodidina no misitraka ity fampiofanana ity nanomboka ny Alatsinainy 14 ka hatramin’ny anio Zoma 18 Aogositra 2023. Entina indrindra anamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’ny fanodinana sy fitehirizana ny vokatra toy ny voankazo, legioma sy hazandrano izany. Tanjona ny hahamatihanina ny kaoperativa sy orinasa madinika ka ho afaka mifaninana eo amin’ny sehatry ny tsena ny vokatr’izy ireo.

Ho tohin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny MICC sy ny Tetikasa Fanamaroan-karazana ny Toekarena Malagasy (DEM/PNUD) ity hetsika tanterahina ao amin’ny Foibe fanofanana arak’asa any Toamasina ity. Solontena iray avy amin’ny DII, DEI ary DPE no manatrika izany any an-toerana miaraka amin’ny solontena avy amin’ny DRICC.

Sary DPE

Vous aimerez aussi...