Filamatry ny Taniketsa Indostrialy ny fisiana fitaovana fanodinanana voankazo sy legioma, mba ho azo tehirizina.
Fandraisana anjara amin’ny Fampiroboroboana ny Taniketsa Indostrialy, ho an’ireo manana fahasembanana, tetsy amin’ny “Les Orchidées Blanches” Androhibe.
Tonga nitsidika ny toerana mitaiza zaza manana fahasembanana ara-tsaina ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy sy ny Ambasadaoron’i Suisse, Chasper Sarott ny talata 7 desambra maraina.
Manana ivon-toerana fanodinana sakafo toy ny voakazo sy legioma ary hanitra maro isan-karazany ny Akany “Les Orchidées Blanches” ary manome lanja ny vokatra eto an-toerana.
Isan’ny zo tokony sitrahan’ny olona manana fahasembanana ara-tsaina ny fananana anton’asa mamokatra sy mahasoa. Indrindra koa fa mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ary amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Vina izay tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana eto amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana.