Carlton, 07 desambra 2021: Fanolorona ny vokam-pamotopotorana momba ny Sehatra tsy miankina eto Madagasikara (CPSD) nataon’ny Banky Iraisam-pirenena.

Teboka maromaro no nivoitra tao anatin’ny fanadihadihana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena momba ireo olana sedrain’ny sehatra tsy miankina indrindra fa ny Indostria eto Madagasikara.
Zava-dehibe ny fahafantarana ny lesoka rehetra hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana nisolo tena ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
Efa fantatra ny marary ny sehatra tsy miankina. Noho izany, fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola ilaina amin’ny fanarenana mitodika any ifotony no andrasana amin’ny mpamatsy vola fa tsy hijanona amin’ny fanadihadiana sy famotopotorana hatrany ny zavamisy.

Vous aimerez aussi...