Andro maneran-tany ho an’ny tanora (JMJ mada X):Nanomboka omaly ny fizarana vary sy siramamy amin’ny vidiny mora ho an’ny mpizaika

Eo Avaratsena akaikin’ny boribory fihodinana sy eny Ambohimena manoloana ny fivarotana fitaovana Safidy manamorona ny lalam-pirenena RN 7. Ireo no toerana ahafahan’ny mpizaika amin’ny JMJ Mada X any Antsirabe misitraka ny vary sy siramamy amin’ny vidiny mora. Teny amin’ny faritra manakaiky ny fitobian’ireo mpizaika sady tsy lavitra ny toerana nanaovana ny lamesa fanokafana no moa no nanataterahana izany omaly. Amidy 2000 Ar ny vary iray kilao raha 4000 Ar kosa ny siramamy Namakia iray kilao vokatry ny fiaraha-miasan’ny MICC sy ny SPM.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...