Akon’ny fananganan-tsaina notarihin’Andriamatoa Minisitry ny MICC anio 06 desambra 2021
“Mamarana ny taona 2021 isika, telo volana no nandraisako ny fitantanana ny Minisitera. Tsy nandry andro sy alina, mikatsaka izay hahasoa ny fiainan’ny mponina, indrindra fa ny vanim-potoana sarotra eo amin’ny vidin’ny entana ilain’ny mponina.
Na izany aza, tsy nitarai-tana miepaka ny tenako sy ny mpiara-miasa amiko, mitady ny hahasoa ny vahoaka.”
Tao anatin’ny telo volana, nametraka vina sy tanjona ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana. Anisan’izany ny Taninketsa Indostrialy, ao anatin’ny Veliranon’ny Filoham-pirenena. Efa misy sorabolam-pamokarana zato vonona afahana mametraka lambanam-pihariana indostrialy isaky ny kaominina.
Nohamafisin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy, fa handray ny taona vaovao tsy ho ela isika, hanatsarana hatrany fomba fiasa.
Nitondra fanazavana teo anoloan’ny mpiara-miasa aminy ny Minisitra, amin’izay mety fahadisoam-pijery. Nanafatra simenitra ny fitondram-panjakana mba hahamari-toerana ny vidiny. Nanome toromarika ny Minisitra, hanao opération, ka tsy hijanona ao Toamasina ihany ny fakan’ny mpamongady ny entana, mba hampihenana ny fandaniana, saingy tokony ara-drariny no vidin’ny entana. Handray andraikitra ny fanjakana amin’ny fanaraha – maso. Nomarihany fa ny Minisitera tsy mpivarotra vary, fa ny SPM no nomena andraikitra izany.