Tantsoroka ho an’ny kaoperativa:Afaka miara-miasa hampiroborobo ny Taninketsa Indostrialy ny USAID sy ny MICC
Anatin’ireo tetikasan’ny USAID ny fanampiana ny kaoperativa amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manaony momba ny fitantanana ny famokarana ataony, fifampiraharahana amin’ny mpanangom-bokatra, fandresen-dahatra hampiroboroboana ny sehatr’asa sahaniny. Kaoperativa manodidina ny 40 any amin’ny faritra Menabe, Sava sy Ambanja, manao ny asa voanjo, lavanila ary kakaô no efa fantatra fa hisitraka tantsoroka.
Tonga amin’ny fotoana ilàna azy ny fitsidihan’ny delegasiona notarihin-dRamatoa Agathe Sector avy amin’ny Birao momba ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana ara-toekarena maharitra eo anivon’ny USAID ny Minisitra Edgard Razafindravahy omaly 23 Mey 2022 teny Ambohidahy. Tsara arindra anefa ny fandaharan’asan’ny USAID sy ny TANINKETSA INDOSTRIALY apetraky ny Minisitera misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria (MICC) mba hahazoana vokatra tsara kokoa.
Nambaran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa ozinina 75 no nafarana hanodina ny vokatra avy amin’ny kaoperativa sy hampiakatra ny vidin’ny ireny vokatra ireny rehefa voaodina. Andraikitry ny Minisitera ny hahalasa mpandraharaha ny kaoperativa. Homena famantarana manokana (“label”) ny vokatry ny Taninketsa Indostrialy isaky ny faritra. Momba ny fanodinana voanjo ho lasa menaka dia ozinina roa no efa tafatsangana dia ny any Ambatofinandrahana faritra Amoron’i Mania sy ny any Ankadinondry Sakay faritra Bongolava.