Fandraharahana isam-paritra:Resy lahatra amin’ny maha-zava-dehibe ny kaoperativa ny mpiara-miombon’antoka.

👉 BONGOLAVA : Nifampidinika tamin’ny banky BNI sy ny vondrona FEDEM (Federasion’ny mpandraharaha sy mpitantana eto Madagasikara) mikasika ny fampandrosoana maharitra ny tontolon’ny kaoperativa ny DRICC. Etsy ankilany dia kaoperativa miisa 33 ary vondrona kaoperativa miisa 4 no nisitraka fampiofanana tao Ampasimpotsy Kaominina ambanivohitra Maroharona any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy.
👉 VAKINANKARATRA : Efa manomboka ny fiaraha-miasa eo amin’ny DRICC sy ny CNAPS amin’ny fiahiana ara-tsosialy ny mpikambana amin’ny kaoperativa efa mitsangana ara-dalàna. Mijery hatrany izay azo atao entina hanohanana ireo kaoperativa ny Minisitera ary mikatsaka izay hahasoa azy ireo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena.
👉 SOFIA : Tontosa ny 17 mey 2022 lasa teo ny fijoroan’ny Kaoperativa Magnavotra Sofia tamin’ny fomba ofisialy. Natolotry ny DRICC azy tamin’io fotoana io ny taratasy fanamarinam-piraketana. Hanamafy ny famokarana sy ny fanangonam-bokatra any an-toerana ity kaoperativa ity.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...