Famerana ny vidin’entana farany ambony:Mpivarotra 15 teny amin’ny Boriborintany IV indray no nidinan’ny mpanara-maso

Ireo tsena eny amin’ny Boriborintany IV eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no nanatanterahan’ny ekipan’ny DPC fanaraha-maso ho fampanajana ny fepetra famerana ny vidin’entana ambony indrindra tamin’ny 19 Mey 2022 lasa teo. Tamin’ireo mpaninjara 15 nanaovana fanamarinana dia tsy nisy nihoatra ny vidy noferan’ny Fanjakana ny nivarotana ny menaka, na menaka mandry izany na menaka soja na menaka soja amin’ny tavoahangy. Tsikaritra kosa fa tsy mbola marin-toerana ny vidin’ny siramamy.

Nomena fampitandremana moa ireo mpivarotra tsy nanaraka ny fepetra. Miara-miasa hatrany amin’ny Sefo fokontany, ny lehiben’ny tsena ary ny Fikambanan’ny mpanjifa ny MICC amin’ny fidinana fisafoana ny mpandraharaha ara-barotra.

Sary DPC

Vous aimerez aussi...