Bemasoandro itaosy: Mpivarotra nahatratrarana entana efa simba tsy azo amidy intsony

Nilatsahan’ny mpanara-maso avy amin’ny MICC ny tsenan’Ambonisoa Bemasoandro Itaosy omaly Alarobia 21 Septambra 2022. Tratra tao amin’ny mpivarotra iray ny entana efa simba. Tsy voahaja koa fepetra mametraka ny fenitry ny fitehirizana entana fihinana. Nogiazana avy hatrany moa ireo entana ireo ary nampahafantarina ny mpivarotra ny lalàna velona.
Tsikaritra koa ny fakàna tombony mihoatra ny vidy ara-drariny napetraky ny MICC teny amin’ny mpaninjara. Raha tokony amidy 9500 Ar ohatra ny tavoahangy amin’ny menaka sojà dia natao 9700 Ar izany.
Voahaja kosa ny vidy ara-drariny teny amin’ireo mpamongady. Misy latsaka ambanin’izany aza. 154 000 Ar ny bidao 20 litatra amin’ny menaka mandry raha 208 000 Ar ny iray gony 50 kilao amin’ny siramamy nafarana.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...