Fanjifana: Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny MICC amin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ireo mpandraharaha ara-barotra

Arindra ny fomba fiasa ho fitsinjovana ny mpanjifa. Fihaonana efatra sosona afak’omaly Talata 20 Septambra 2022 no notanterahan’ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny MICC nahitana ny Tale Jeneraly misahana ny Varotra sy Fanjifana Isidore Razanakoto, ny Tale misahana ny Fiarovana ny mpanjifa Haingo Andriamadison ary ny Talen’ny Varotra Anatiny Andry Randriamiaramahefa, niaraka tamin’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ny mpanafatra entana, ny mpamongady ary ny mpaninjara. Samy naneho ny fahavononany hiara-hiasa ho fitsinjovana ny mpanjifa izy ireo no nankasitraka ny ezaka ataon’ny MICC.
Nivelatra tamin’ny lafiny fifandraisandavitra, ny fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday, ny solika ary indrindra ny famatsiana ny entana ilaina andavanandro na PPN ny dinika tamin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa.
Tsy nisalasala koa ireo mpanafatra entana nizara ny olana sedrainy amin’ny asany mba hifanatonan’ny fomba fijery. Momba ny vidin’ny menaka sy ny lafarinina dia nivoitra fa ho marin-toerana izany hatramin’ny volana desambra 2022.
Nanome toky kosa ny mpamongady amin’ny fifanakalozam-baovao momba ny vidin’ny PPN sy ny tahiry eo am-pelatanana. Naniry moa izy ireo ny hisian’ny fivoriana miaraka amin’ny sampandraharahan’ny hetra handrindrana ny fomba fandoavana ireo hetra isan-tsokajiny.
Nanoso-kevitra hanatsarana ny fomba fiasa amin’ny fanaraha-maso ny tsena ataon’ny MICC indray kosa ny mpaninjara.

Vous aimerez aussi...