Fanjifana:Nanao fisafoana teny Analakely sy Andravoahangy ny mpanara-maso ny vidin’entana

Mpandraharaha sasantsasany no nomena fampitandremana mba hanaja ny fitsipika manan-kery amin’ny asa varotra ataony. Nanaiky hanitsy ny vidin’entana eo aminy ireo mpivarotra nandika ny vidy farany ambony noferan’ny Fanjakana. Izany no vokatry ny fidinan’ny ekipan’ny DPC teny amin’ireo mpamongady sy mpaninjara teny amin’ny tsenan’Analakely sy Andravoahangy omaly Zoma 08 Jolay 2022.
Amin’ny ankapobeny anefa dia voahaja ny fepetra famerana ny vidin’entana farany ambony amin’ny vary, lafarinina ary menaka. Misy ireo mpaninjara maka entana eny amin’ny mpaninjara toa azy ihany noho ny fahasahiranana ara-bola hankanesana any amin’ny mpamongady. Nentanina izy ireo tsy hanao izany satria antony mampiakatra ny vidin’entana eo amin’ny toeram-pivarotany izany.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...