Fanjifana

Amafisina ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny sira misy ioda any amin’ny faritra Androy
90% ny taha-pahavitrihana amin’ny fampiasana sira misy ioda ho tratrarina amin’ny taona 2026 raha 40% izany amin’izao fotoana izao. Ho an’ny faritra Androy dia tafiditra anatin’ny paik’ady hanatrarana ny tanjona ny fanofanana fanamafisana traikefa ho an’ireo mpanara-maso ny kalitaon’ny sira misy ioda.
Hateloana, ny 13 ka hatramin’ny 15 Jona 2024, no nanatanterahana ny atrikasa fanofanana tao Ambovombe Androy izay nahitana mpandray anjara avy eo an-toerana, mpikambana ao amin’ny I-team eo anivon’ny Faritra, ny solontena avy ao amin’ny Faritra sy solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC).
Nisy koa ny fitsidihana ny toeram-pamokarana sira ao Ihodo sy fanomezana fitaovana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka UNICEF hoentina manara-maso ny vokatra ao an- toerana.

Vous aimerez aussi...