Fanjifana

Tsy mihoatra ny 3500 Ar ny kilaon’ny lafarinina vokarina eto an-toerana
Manentana ny mpanjifa tsy ho diso safidy amin’ireo karazana lafarinina eny an-tsena ny Talen’ny Varotra anatiny (DCI) eto amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra, Andriniaina Randriamiaramahefa. Mampitandrina ihany koa ny mpivarotra amin’ny fepetra tsy maintsy ho raisina amin’ny mpanararaotra.
“145 000 Ar ny vidin’ny lafarinina iray kitapo amin’ny 50 kilao any amin’ny ozinina mpamokatra lafarinina eto an-toerana. Izany hoe raha ampidirina ny masonkarena toy ny saram-pitaterana dia tsy mihoatra ny 3500 Ar ny kilaon’ny lafarinina ho an’ny eto Antananarivo”.
Nambaran’ny Talen’ny Varotra anatiny tamin’ny fanazavana nataony tamin’ity Talata 9 Jolay 2024 ity fa mahatratra any amin’ny 175 000 taonina ny fitambaran’ny vokatra lafarinina avy amin’ireo orinasa roa any Toamasina sy Andranomanelatra ho amin’ity taona 2024 ity. Mamaly ny 75%-n’ny filàn’ny mpanjifa malagasy izany ka tsy tokony hisy antony hampiakatra ny vidin’ny lafarinina eny an-tsena. “Manoloana ny fahabetsahan’ny lafarinina vokatra eto an-toerana, raha ampitahaina amin’ny lafarinina nafarana avy any ivelany, dia tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny mpanjifa ny fidangan’ny vidin’ireo lafarinina nafarana”, hoy ihany ny Talen’ny Varotra anatiny, Andriniaina Randriamiaramahefa. Tafakatra 200 000 Ar ny iray kitapo amin’ny lafarinina nafarana avy any ivelany.
Nazava koa ny tenin’ny Filohan’ny Fikambanan’ny mpanao mofo matihanina (ABP) fa tsy miova akory ny vidin’ny lafarinina.

Vous aimerez aussi...