Fanohanana ara-teknika ny orinasa madinika sy salantsalany: nifarana omaly Zoma 28 Jolay 2023 ny fampiofanana ireo teknisianina miisa 50 hisahana ny fanomezana fiofanana ho an’ireo PME/PMI.

Naharitra dimy andro, ny 24 hatramin’ny 28 Jolay, ny fampiofanana ireo teknisianina eto amin’ny MICC mikasika ny fahaizana manome fiofanana sy fampianarana ny olon-dehibe. Tafiditra tanteraka amin’ny tanjona fampiroboroboana sy fanatsarana ny fandraharahana ifotony izany.
Fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana sy ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa tohanan’ny PNUD (Tetikasa DEM) no nahatontosana ity fampiofanana ity. Manana fahavononana sy tanjona iombonana ny telo tonta dia ny hampitomboana hatrany ny fanohanana ireo PMI/PME eto Madagasikara hampandrosoana ny seha-piharian’izy ireo.
« Tanjona sy fomba fijery napetraky ny Rafi-panjakana ny tantsoroka omeny ny mpandraharaha madinika sy salantsalany ary miezaka hatrany ny Minisitera hijerena ireo fanomezana fanamafisana traikefa isan-karazany ho an’ireo teknisianina manoloana izany», hoy ny Tale misahana ny Mahaolona eto anivon’ny MICC izay nisolo tena ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny fanolorana ireo mari-pankasitrahana ho an’ny mpiofana teny amin’ny LTP Alarobia omaly.

Vous aimerez aussi...