Faritra Analanjirofo

Hisokatra manomboka ny 10 Jolay izao ny taom-pamarotana lavanila maitso 2024.

Haresaka ny any amin’ny faritra Analanjirofo raha afaka herinandro. Hisokatra manomboka ny 10 Jolay 2024 ny taom-piotazana lavanila maintso any amin’ireo toerana manamorona rano, anatin’ny distrika enina, araka ny Didim-pitondrana noraisina teo anivon’ny Faritra. Afaka roa herinandro aorian’io kosa, izany hoe ny 24 Jolay 2024, no hanomboka ny taom-piotazana any amin’ny toerana anelanelany ao anatin’ny faritra Analanjirofo ihany, raha ny 27 Jolay 2024 ho an’ny toerana avo.
Eny amin’ny Tsena voaara-maso (marché contrôlé) ihany no anaovana ny fifampivarotana.
Any amin’ny 90 andro aorian’ny fisokafan’ny taom-piotazana lavanila maitso no manomboka ny fifampivarotana lavanila voaomana isak’ireo sokajin-toerana voalaza ireo avy.
Chargeur En cours de chargement…
Logo EAD Cela prend trop de temps ?

Recharger Recharger le document
| Ouvert Ouvrir dans un nouvel onglet

Download [1.26 MB]

Vous aimerez aussi...