Faritra Boeny

Manomboka ny fikaroham-bahaolana amin’ny fitotonganan’ny vokatra lojy fotsy
Nihena ho iray ampahatelon’ny vokatra mahazatra sisa ny vokatra lojy fotsy (Black Eyes) aondrana avy any Boeny ary efa maro ny fitarainana azo momba ity seha-pihariana izay mampalaza ny faritra ity. Raha 30.000 taonina izany teo aloha dia lasa 12.000 taonina sisa. Antony niantsoana ireo mpisehatra rehetra voakasika hikaon-doha tao amin’ny Lapan’ny Faritra ny Talata 20 Febroary 2024.
Nivoitra tamin’io fihaonana io fa anisan’ny mahatonga ny fototonganan’ny vokatra lojy fotsy ny fahanteran’ny masomboly sy ny fiabon’ny tahan’akora simika mampidi-doza ny voly. Ny Foibem-pikarohana FOFIFA miaraka amin’ny Tetik’asa PROSOL izay vatsian’ny firenena alemana vola no efa miezaka mamokatra masomboly voafantina vokatra eto an-toerana ihany saingy tsy ho afaka amparitaka izany vokatra izany raha tsy amin’ny taona 2026 raha aloha indrindra.
Efa lasa mirona amin’ ny voamaina hafa koa ny tantsaha sy ny mpanondrana ankehitriny ka ny « antsoroko » (green mung) sy ny « lojy mena » (red cow peas) no tena betsaka amin’izany.
Nandray anjara tamin’izany fivoriana izany ireo mpamboly avy any amin’ny kaominina mpamokatra toa an’i Manerinerina, Ambato Boeny, Anjiajia sy ny sisa. Tao ihany koa ireo mpanondrana entana sy ireo ratsamangaikan’ny Fanjakana misahan-draharaha momba ny lojy fotsy. Nifanarahana fa samy hanao tatitra any amin’ny ambaratongany avy ny rehetra hanavotana ny seha-pihariana Black Eyes.

Vous aimerez aussi...