Tetik’asa sekoly fandraraharahana kaoperativa (Cooperative Business School)

Nofanina ireo kaoperativa any Atsimo Atsinanana sy Anosy
Mpandray anjara 24 nahitana solontena avy amin’ny kaoperativa miisa 6, misehatra amin’ny famokarana sy fanodinana sakamalaho, kafe ary jirofo no nisitraka fanofanana tany Farafangana faritra Atsimo Atsinanana ny 12 hatramin’ny 16 jolay2022. Mpikambana 26 amin’ny kaoperativa 4 mamokatra tantely any amin’ny faritra Anosy kosa no navondrona tao Taolagnaro io 12 hatramin’ny 16 jolay 2022 io. Raha fanofanana ireo “Cluster” no notontosaina tany Farafangana dia fananganana drafitry ny fandraharahana indray kosa no nifampizarana tamin’ny tany Taolagnaro.
Mpanofana « Maître formateur national CBS » iray avy eto amin’ny MICC sy « Formateurs CBS sous superviseurs » roa avy amin’ny DPE ary DRICC Atsimo Atsinanana no niara-nisalahy tamin’izany. Tetik’asa iarahana amin’ny GIZ PRADA.
Sary DPE

Vous aimerez aussi...