Nahitsy ny tenin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa fitsinjaram-pahefana ara-toekarena mitsinjo ny fihariana eny ifotony ny Tetikasa ODOF.

Fanolorana ny milina fanodinana ny voanjo ho lasa menaka ao amin’ny distrikan’i Miarinarivo, fametrahana amin’ny toerany ireo mpikambana maharitra ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Faritra Itasy. Roa sosona ny anton-dian’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, tany Miarinarivo androany Alarobia 17 Mey 2023. Fanomezana hasina ny mpandraharaha izany no sady fikarakarana ny fiveloman’ny mponina eny ifotony. « Izao fanolorana fitaovana izao no porofo fa mitsinjo ny mponina ny Fanjakana ary mikarakara ny fivelomany », hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy. Na eo aza ny adilahy politika satria fotoam-pifidianana izao dia tsy mahasakana ny fanatanterahana ny toky sy Veliranon’ny Filoham-pirenena izany.

Nohazavain’ny Minisitra tamin’ireo mpanatrika ny atao hoe « Décentralisation économique » na Fitsinjaram-pahefana ara-toekarena. Izany hoe miainga eny ifotony ny famokarana sy ny famoronan-karena.

Mbola nantitranteriny androany fa tsy hisy na distrika iray aza tsy hahazo ny anjarany amin’ity Fandaharanasa ODOF ity. Ary hahazo tombony avokoa ny rehetra: ny tantsaha, ny mpandraharaha. Rehefa mandroso ny famokarana amin’ireo milina natolotra dia hihena ny fanafarana entana avy any ivelany.

Vous aimerez aussi...