Atrikasa momba ny “e-tourisme”

Atrikasa momba ny « e-tourisme »

Notanterahina tao amin’ny Hotel Grand Mellis Analakely, ny 9 hatramin’ny 11 desambra 2019 teo, ny atrikasa mikasika ny fizahantany (e-tourisme), ho fandraisana anjara amin’ny fanampiana ara-teknika momba ny varotra nomen’ny Vondrona Iraisam-pirenena momba ny Varotra.
Ny tanjon’ity atrikasa ity dia ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara nasionaly amin’ny raharaha ara-barotra amin’ny sehatry ny fizahantany izay niarahana tamin’ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena ( Atoa Dale Honeck avy amin’ny OMC) sy nasionaly (Atoa Eric Beantanana avy amin’ny MICA, Atoa Njaka Ramandimbiarison ary i Atoa Tojo Lytah Razafimahefa avy amin’ny CFTM).
Ny hetsika dia nokarakarain’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana sy ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetrandro izay novatsian’ny tetikasa FAC/MAIR (Cadre Integré Renforcé et du Projet FAC/MAIR)
Ireo mpandray anjara dia nanasongadina ireo fepetra ilaina amin’ny fampiharana ny tondrozotra ho toy ny rafi-dalàna ny fiarovana ny fandoavam-bola elektronika, sy ny fidirana amin’ny Internet.

Vous aimerez aussi...