SEHATRA LAVANILA
Tao aorian’ny fivoriana tamin’ny alalan’ny teknolojia vaovao niarahan’ny fankan-kevitra eo amin’ny mpisehatra lavanila (Conseil National de la Vanille na CNV), izay tsiahivina fa hivondronan’ny mpamboly, sehatra tsy miankina miisa 11 ary minisitera miisa 10, ny 11 may 2021 lasa teo dia nisy avy hatrany ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana, Rtoa Lantosoa RAKOTOMALALA sy ireo mpiara-miasa aminy manodidina ny seha-pihariana lavanila eto Madagasikara. Nandritra izany valan-dresaka izany no nanaovana toy ny mahazatra ny jeri-todika mikasika ny taom-bokatra teo aloha sy ny toerana misy an’ity sehatr’asa izay isan’ny voalohany amin’ny fidiram-bola vahiny eto amin’ny firenena ity. Efa eo an-dalam-pamaranana ny taom-bokatra 2020-2021 isika amin’izao fotoana izao (15/09/20 – 30/05/21). Ny dingana goavana natao nandritra izany dia ny nametrahana ny CNV araka ny didim-pitondram-panjakana hanatsarana ny fifaneraserana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny andrim-panjakana. Na dia eo ary ny fisian’ny valan’aretina Covid19 dia tsy nahitana fanalefahana ny taha-mpanondranana lavanila araka ny antontanisa hoy ny Tale misahana ny Varotra Ivelany eto anivon’ny MICA. Raha jerena ny toetran’ny fanondranana tamin’ny taona lasa dia nitetina 1770 taonina ny lavanila nahondrana (hatramin’ny volana aprily 2020) ary 1780 taonina kosa izany tamin’ity taom-bokatra 2020-2021 ity (hatramin’ny volana aprily 2021). Marihina fa ireo vokatra lavanila rehetra no voakasika izany fanondranana izany makany amin’ireo firenena toy États-Unis, France, Canada, Allemagne, Pays-Bas ary Suisse (gousse,extrait, produit dérivé, vanille épuisée). Raha toa nametraka ny vidy tafakatra an-tsambo na prix FOB amin’ny fanondranana ho fanatsarana ny sehatry ny lavanila ny taom-bokatra 2019-2020 dia mbola notazomina hatrany izany ho an’ny taom-bokatra 2020-2021 rehefa mivoaka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ary marihina hoy Rtoa Minisitra fa nisy ny fisintonana fankatoavana nandritra ny fanombohan’ny taom-bokatra teo noho izay tsy fanajana sy fampiarana ny lalàna mifehy ny fanondranana ary ny fenitra fikarakarana ny lavanila izay.
Ho an’ny taom-bokatra 2021-2022 izay hisokatra ny 20 may 2021 araka ny didim-pitondram-panjakana MAEP-MICA mametraka ny fisokafan’ny taom-bokatra dia ny faritra SOFIA sy DIANA no hisantatra izany. Ankehitriny dia hiroso amin’ny sehatry ny indostria ny vokatra lavanila amin’ny alalan’ny “industrie d’extraction de la vanille” izay hisintonana bebe kokoa ny fampiasana ny vokatra eto amin’ny tsena anatiny. Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fijerena manokana ireo mpisehatra ifotony na ireo mpamboly izany. Dingana goavana amin’izany ny fanarahana amin’ny antsipirihany ny momban’ny vokatry ny mpamboly tsirairay (traçabilité).
Araka ny tapaky ny mpandray anjara tamin’ny fivoriana CNV izay mikendry hatrany ny tombontsoan’ny tsirairay dia napetraka ho 75.000ar ny kilaon’ny lavanila maintso amin’ity taom-bokatra fiotazana 2021-2022. Tsindriana hatrany fa miara-miasa avokoa ireo manam-pahefana ifotony rehetra ny amin’ny fanaraha-maso ny tsenan’ny lavanila eto Madagasikara.