FANANDRATANA NY VOKATRA MALAGASY

“Kaly Malagasy Mahasalama”, hetsika entina hanasongadinana ireo tsiro sy hanitry ny sakafo malagasy natoraly izay nanomboka ny 28 jolay ary hifarana ny 31 jolay 2021 ho avy izao etsy amin’ny Zaridaina Antaninarenina. Hetsika ihany koa izay hanentanana hatrany ny amin’ny fanjifana ny vokatra ifotony ary fampandrosoana ny famokarana ifotony. Ny MICA dia manohana hatrany ny hetsika mitondra fampandrosoana sy fanohanana ny sehatra izay iandraiketany.

Vous aimerez aussi...