Faritra DIANA

Nisokatra nanomboka omaly ny tsena voaara-maso ho an’ny kakao
Tapaka nandritra ny Atrikasa niarahana tamin’ny Filan-kevi-pirenen’ny kakao (CNC), ny Faritra DIANA, ny distrika, ireo Ben’ny Tanàna maro sy ireo mpisehatra samihafa any an-toerana fa ho sokafana ny 05 Marsa 2024 ny Tsena voara-maso ho an’ny kakao. Voahaja izay nifanekena satria omaly tokoa no notanterahana tany Ambanja ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy izany Tsena voaara-maso izany.
Samy nanambara ny maha-zava-dehibe ity hetsika ity izay nandray fitenenana satria efa ho taona maro nifandimby no tsy nisy ny fanaraha-maso eny amin’ny tsena. Ho fiarovana ny kalitaon’ny vokatra kakao sy ho tombontsoan’ny mpamboly, ny mpividy ara-dalàna ary ireo kaominina mpamokatra sy ny faritra DIANA no voalaza fa nandraisana ny fanapahan-kevitra. Nambara ihany koa ny fahazoana ny milina fitotoana kakao ho lasa vovony izay efa eo andalam-pahavitana ary hiodina atsy ho atsy.

Vous aimerez aussi...