Faritra SAVA

𝗡𝗶𝗱𝗶𝗻𝗶𝗸𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗚𝗼𝘃𝗲𝗿𝗻𝗼𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝗶𝘁𝘀𝗶𝗱𝗶𝗸𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮𝘃𝗮𝗻𝗶𝗹𝗮 𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗗𝗮𝘃𝗶𝗱 𝗥𝗔𝗟𝗔𝗠𝗕𝗢𝗙𝗜𝗥𝗜𝗡𝗚𝗔.

Ny fiarovana ny kalitaon’ny lavanila malagasy, ny fametrahana ny tsena voaara-maso (marché contrôlé) mba ahafahana mamantatra ny fiavian’ny vokatra sy ny lalany ary misoroka ny halatra lavanila… Anisan’ny noresahan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) ireo tamin’ny fitsidihany ny Governoran’ny Faritra SAVA, Teddy Gervais SERAMILA, nandritra ny fandalovany tany Sambava. Ny Faritra SAVA moa no faritra filamatra amin’ny seha-pihariana lavanila.

“Tomponandraikitra amin’izany isika fitondram-panjakana, hoy ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA, ary izay no ilàna ny fiarahantsika miasa amin’ny Minisitera isan-tsokajiny voakasik’io sehatra lavanila io, indrindra ihany koa ireo Fitaleavam-paritra rehetra aty amin’ny faritra”. Ilaina anatin’izany ny fitaizana ny tsirairay ary indrindra ny fampianarana ny fitantanana sy fikolokoloana ny vokatra.

Nihaona tamin’ireo mpanondrana lavanila ihany koa ny MIC ka tamin’izany no nijereny ny fomba fiasa sy ny asa ataon’izy ireo, ny kalitaon’ny lavanila, ny olana misy ahafahana mijery ny vahaolana.

Nataon’ny Minisitra anton-dia koa ny fijerena ny Orinasa ODOF (One District One Factory) fanamainana voankazo any Antalaha.

Vous aimerez aussi...