Fihaonana teo amin’ny micc sy ny vondrona eoropeana:Nampitovy fijery ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny Ambasadaoro Giovani di Girolamo
Nampahafantarin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana Giovani di Girolamo ny ezaka ataon’ny governemanta amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, indrindra tamin’ny nanatanterahana ny Dinika teo amin’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina (DPP). Izany dia nahafahana nametraka mazava tsara ny andraikitry ny Fanjakana sy ny mpandraharaha mikasika ny lafi-pandraharahana toy ny PPN, fandraharahana ara-pambolena ary ny momba ny lamba. Anatin’ny adihevitra handrafetana volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola izay andrasan’ny vondrona mpandraharaha samihafa fatratra koa ireo voakasik’izany amin’izao fotoana izao.
Nohararaotin’ny Minisitry misahana ny Fampiroboroboana ny indostria ity fotoana nandraisany ny masoivoho vahiny teny Ambohidahy omaly ity nanazavana ny tetik’asa Taninketsa Indostrialy sy ny maha-zava-dehibe azy eo amin’ny fampiroboroboana ny indostria any amin’ny faritra.
Tetsy ankilany dia naneho ny fahavononany handray anjara amin’ny fanohanana ny APEX (Rafitra misahana ny fampiroboroboana ny fanondranana) ny UE sy ny AFD “raha misy ny fitadiavana vahaolana maharitra hamatsiam-bola ny APEX” . Ny APEX moa dia tafiditra anatin’ny Tetik’asa PADEIR (Tetik’asa fanohanana ny fanondranana mankany ivelany sy ny fanomezan-danja ny isam-paritra), sehatra manohana ny fanondranana ataon’ny mpandraharaha madinika malagasy.
Momba ny lavanila malagasy dia tanjona amin’ny fandehanan’ny Minisitra any Genève hamonjy ny Kaoferansan’ny minisitera ho an’ny OMC (Fikambanana maneran-tany momba ny varotra) andiany faha-12 ny fampiroboroboana sy fiarovana ity seha-pihariana ity.