Tsy fanajana ny fepetra famerana ny vidin’entana farany ambony:Nakatona ny tsenam-barotra iray eny Ampitatafika
Na efa nisy aza ny fampitandremanana natao dia ninia nanohy ny fanaony foana ilay mpivarotra. Tsy maintsy niroso tamin’ny fanasaziana ny Fanjakana. Narahin’ny mpitandro ny filaminana ireo tompon’andraikitra nanatanteraka ny fanakatonana teny Ampitatafika omaly Zoma 20 Mey 2022 folakandro. Miara-miasa akaiky amin’ny Sefo Fokontany, ny lehiben’ny tsena ary ny Fikambanan’ny mpanjifa ny MICC amin’ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fepetra famerana ny vidin’entana farany ambony.
Sary DPC