Fanondranana lavanila: 66 ireo mpandraharaha nahazo alalana

Manomboka ny fanadiovana ny seham-pihariana lavanila ataon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy Varotra ary ny Fanjifana hamerenana ny hasin’ity vokatra voajanahary sy mahatalanjona ity.
Araka ny efa nambaran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny herinandro lasa teo, nivoaka androany Alatsinainy 20 septambra 2021 ny lisitr’ireo mpanondrana nahazo fankatoavana ho an’ny fotoam-panondranana 2021-2022.
Miisa 66 ireo mpandraharaha manaraka ny fepetra rehetra notakiana raha toa ka 124 tamin’ny taona lasa.
Mason-tsivana nandinihana isan’isany ny fangatahana nataon’izy ireo ny maha ara-dalàna azy ireo amin’ny fandoavan-ketra eto an-toerana sy ny famerenana vola vahiny.
Nanova fomba fiasa tanteraka ny minisitera amin’ny fanadiovana ny seham-pihariana lavanila hatreny ifotony, hanomezana hasiny ny vokatra mba hitondra tombontsoa marina ho an’ny Firenena.

Vous aimerez aussi...