Voin-kava mahatratra:Namaly ny antson’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny Filatex sy ny Société Générale Trade

Vary 30 gony, voanjobory maina 10 gony avy amin’ny Groupe Filatex, akanjo 10 fonosana avy amin’ny Société Générale Trade ary arovava orona 10000 isa avy amin’ny MICC. Ireo no tolo-tanana andiany voalohany ho an’ireo tra-boina taorian’ny antso nataon’ny minisitra Edgard Razafindravahy.
Tonga nanatitra izany teny amin’ny BNGRC Antanimora ireo Tale isan-tsokajiny ao amin’ny Minisitera izay notarihin’ny Sekretera Jeneraly sy ny Talen’ny Kabinetra androany 26 janoary 2022.
Mitohy moa ny fandraisana ny fanampiana avy amin’ny sehatra tsy miankina. Notsindrian’ny Talen’ny Kabinetra, VONIHARINJAKA Andry fa avy hatrany dia hatolotra ny BNGRC ireo fanampiana voaangona fa tsy hitazona izany ny Minisitera.

Vous aimerez aussi...