Fiaraha-mientan’ny sehatra tsy miankina: Nitondra ny anjara birikiny ireo orinasa ao anatin’ny fandraharahana ara-indostria

Tonga nanatitra ny fanomezana ho an’ireo mpiray tanindrazana tra-boina vokatry ny toetr’andro ratsy ny Vondrona CMA CGM, ny orinasa Lakanjejo ary ny orinasa Bio. Fanampiana izay naterina avy hatrany tetsy amin’ny Foibe misy ny BNGRC Antanimora androany 27 janoary 2022.

👉

Vondrona CMA CGM: vary 50kg 10 gony, siramamy 50kg 2 gony, savony 32 bara

👉

Orinasa Lakanjejo : lelavola mitentina 1.000.000ariary

👉

Orinasa Bio: Gels désinfectants 250ml miisa 100, gels désinfectants 500ml miisa 2, fanadiovana rivotra miisa 3, packs miisa 5 (ahitana gel, mixture ary fanadiovana rivotra) ary mixture miisa 396

Hitohy hatrany ny voin-kava mahatratra nanaovan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy antso hanampiana ireo mpiray tanindrazana.

Vous aimerez aussi...