Faritra sy orinasa afaka haba (ZEF)

Niarahan’ny Rafi-panjakana sy Sehatra miankina nidinika ny amin’ny fanavaozana sy fandrindrana ny orinasa afaka haba eto Madagasikara.

Niaraha-namaritra ny fepetra ara-dalàna sy mifandraika amin’ny ZEF manankery amin’izao fotoana izao; ny fisian’ny fanadihadiana ny toerana hametrahana ny orinasa afakaba; ny fanamafisana ny asan’ny komity teknika mahefa amin’ny fanaraha-maso ny fametrahana ny ZEF ary ny fametrahana ny fandaharam-potoana iraisan’ny mpandray anjara.
Tetsy amin’ny Carlton Anosy androany Zoma 14 jona 2024 no nanatanterahana ny atrikasa nandinihan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ny mpanohana teknika sy ara-bola ny fanavaozana sy fandrindrana indray ireo orinasa afaka haba eto Madagasikara. Nahitana ny fandraisana anjaran’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) tamin’ny alalan’ny ekipan’ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria (DGI) sy ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Varotra (DGC), ny EDBM, ny Vondrona Eoropeana sy ny Banky Iraisam-pirenena.
Tapaka nandritra ny atrikasa fa hitsangana tsy ho ela ny komity teknika hisahana ny fanatanterahana sy fanaraha-maso ny fanavaozana ho atao. Ho voasolo tena avokoa ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ao anatin’ity komity ity.

Vous aimerez aussi...