Federasionan’ny antenimieran’ny varotra sy indostria eto Madagasikara

Voafidy ireo mpikambana 8 mianadahy handrafitra ny Birao maharitry ny FCCIM
Laou-po Wing Wilfrid no eo amin’ny toeran’ny Filoha.
Filoha Lefitra voalohany: Razafitianamalala Muriel,
Filoha Lefitra faharoa: Rakotohery Moïse Tahiana,
Filoha Lefitra fahatelo : Razafiniarivo Dera.
Fidinarivo Miora Esther , Velotody Guillaume, Rabenony Andrianirina ary Rabenarivo Feno Laza kosa no lanin’ny maro ho mpanolo-tsaina.
Hiasa mandritra ny roa taona, azo havaozina, ireo mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny FCCIM ireo.
Tanteraka ny Alarobia 20 septambra 2023 tetsy amin’ny efitra fivorian’ny MEF Anosy ny fifidianana azy ireo. Mpikambana amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) manerana ny Nosy miisa 69 tonga nanatrika ny Fivoriam-ben’ny FCCIM no nandray anjara tamin’ny fifidianana. Nisolontena ny MICC tamin’izany ny Tale misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Tetikasa (DPP), Hanitsoa Ravo Ramahery.
Hanamafy hatrany ny anjara toeran’ny FCCIM sy ny andraikitra sahanin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) isam-paritra no vaidohan-draharaha, hoy ny Filoha vaovao, Laou-po Wing Wilfrid. Anisan’ny fanoitra amin’ny fampiroboroboana ny Sehatra tsy miankina sy ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ny FCCIM.

Vous aimerez aussi...