Federasion’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara (FCCIM)

Misolontena sy misolovava an’ireo mpandraharaha ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria.

 

Anisan’ny fanoitra amin’ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina sy fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ny FCCIM. Manana ny lanjany avy eny anivon’ny Faritra misy azy ireo ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI). Nanamafy izany ny Sekretera Jeneraly Ranoelimanana Rasamoely Vahinisoa Seheno eto amin’ny MIC nandritra ny fanokafana ny Fivoriam-be ara-potoanan’ny mpikambana ao anatin’ny FCCIM amin’ity taona 2024 ity. Nilaza ihany koa ny tenany fa mampiakatra ny toekarena isam-paritra ny fisian’izy ireny. Mifanome tanana amin’ny fanatsarana hatrany ny fifanakalozana eo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Ary mitondra ny tenin’ny sehatra tsy miankina kosa makany amin’ny rafi-panjakana ireo CCI miisa 24 eny anivon’ny Faritra tsirairay.

Vous aimerez aussi...