Fiainan’ny minisitera

Nandray ny asany amin’ny maha-Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria (DGI) azy i Njiva Rakotoarivonona
Maro ny fanamby sy ny asa miandry ny DGI eo amin’ny fampandrosoana ara-indostria, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany Alatsinainy 12 Febroary 2024, nandritra ny famindram-pitantanana teo amin’ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria (DGI) teo aloha Gaëtan Ramindo sy ny vaovao Njiva Rakotoarivonona tetsy Ambohidahy.
Notanisainy tamin’izany ireo tetikasa goavana toy ny fametrahana ireo vala indostrialy, ny fampandehanana ireo indostria famokarana siramamy, ny fametrahana ny indostria famokarana simenitra, ny fametrahana ny indostria famokarana zezika, ny fametrahana ny indostria mpanodina volamena ary koa ny fampandehanana ireo Taninketsa Indostrialy efa napetraka sy ireo mbola ho apetraka.
Naneho ny fahavononany hanohy ny asa sy hitondra fanatsarana ihany koa ho fampandrosoana ny firenena sy eo amin’ny fanatanterahana ireo fanamby rehetra momba ny indostria ny DGI Njiva Rakotoarivonona.

Vous aimerez aussi...