Fampanajana ny famerana ny vidin’entana farany ambony:Nilatsaka teny Andranonahoatra Itaosy ireo mpanara-mason’ny MICC

Ireo mpaninjara eny amin’ny fokontany Akany Sambatra sy Soamiampita ao amin’ny kaominina Andranonahoatra Itaosy indray no nidinan’ny mpanara-maso avy amin’ny MICC omaly Alarobia 4 Mey 2022. Nentanina izy ireo haka entana eny amin’ireo mpamongady akaiky ny fivarotany, hitoroka raha misy mpamongady tsy manaja ilay vidy farany ambony.
Nialohavan’ny fihaonana tamin’ny Ben’ny tanàna, ny lehiben’ny tsena, sefo fokontany sy ireo fikambanan’ny mpanjifa FIMMPAMA, RNDC, AVDDCC, FOMZMPM moa izany rehetra izany. Nodinihina ny fametrahana fiaraha-miasa ho fampanajana ny vidin’entana farany ambony.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...