Fiantohana ara-pahasalamana ny sakafo

Nampitoviana ny fijery momba ny fenitra ara-tsakafo mahakasika an’i Madagasikara
Hadimiana no nanamafisana ny fahalalana sy traikefan’ireo mpikambana nasionaly ao amin’ny Codex Alimentarius. Natao izany mba ahafahana manatsara sy manamafy ny fiantohana ara-pahasalamana ny sakafo indrindra ny fanaraha-maso izany sakafo izany mandritra ny lalam-pamokarana mandrapahatonga ny sakafo any ambavan’ny mpanjifa. Anisan’ny nanatrika izany Atrikasa nanomboka ny 23 Oktobra 2023 teto Antananarivo izany ny DPC (Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa).
Manampahaizana manokana avy amin’ny FAO no nanome ny fampiofanana. Ahafahantsika miomana sy miaro ny fomba fijerin’i Madagasikara amin’ireo fivoriana iraisam-pirenena handinihana ireo teboka momba ny fenitra ara-tsakafo mahakasika an’i Madagasikara ny fanatanterahana ny Atrikasa.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...