FAMPIROBOROBOANA NY ORINASA: Nofanina ny Kaoperativa Kotia

Nanofana sy nanome taratasy fanamarinana fisoratana anarana (Certificat d’enregistrement) ny kaoperativa Kotia Ampitatafika ny Fitaleavan’ny fampiroboroboana ny orinasa (DPE) ny 21 janoary 2022 lasa teo. Misehatra amin’ny famokarana, fanodinana ary famarotana ny vokatra avy any amin’ny Faritra Melaky ity kaoperativa ity. Nanatrika izany fanofanana izany ny Governoran’ny Faritra Melaky, Ratsitohara Patrick, izay maniry ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Minisitera (MICC) ho an’ny fampandrosoana ny Faritra.

Vous aimerez aussi...