Fiatrehana ny vidim-piainana

Mihaino ary mametraka ny mpanjifa ho mpisehatra amin’ny ady iarahana mikasika ny vidim-piainana ny Minisitra Edgard Razafindravahy
Mpirahalahy mianala ny MICC sy ireo Fikambanan’ny mpiaro ny mpanjifa amin’ny fijerena haingana ireo vahaolana amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana. Nihaona tamin’ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (DGCC) ireo fikambanana samihafa miaro ny mpanjifa omaly 21 marsa 2022. Niarahana nandrafitra ireo vahaolana hiatrehana ny vidim-piainana. Androany 22 marsa 2022 kosa ny fihaonan’izy ireo tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tetsy Anosy ka nanolorana izany soso-kevitra izany ho fiarovana ny mpanjifa. Voasolo tena tamin’izany ny fikambanan’ny mpiaro ny mpanjifa FIMPA, GARDUC, FIZOMPAM, RNDC, MPM, SCAEPC, VOMZOM, AVA, MPH ary FIMPITA. Isan’ny tapaka nandritra ny fifanakalozana mivantana tamin’ny Minisitra ny :
– Fihaonana isam-bolana hijerena miaraka ny fivoaran’ny zava-misy eo amin’ny sehatra ara-barotra
– Fidinana fanaraha-maso miaraka eny an-tsena ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa
– Fandrafetana miaraka ny vidy ara-drariny amin’ireo entana ilaina andavanandro
– Fisian’ny fifampiresahana matetika eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana
– Fiaraha-mientana eo amin’ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy
– Fanadiovana eo amin’ny lalan’ny fitsinjarana ara-barotra.

Vous aimerez aussi...