Faritra malalaka ifanakalozana ara-barotra (ZLECAF)

Manana anjara toerana lehibe ary hasongadina manokana amin’izany sehatra izany ny vehivavy
Fanoitra goavana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ny vehivavy ary mitàna anjara toerana lehibe izy ireo eo amin’ny sehatry ny varotra, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny fanolorana ny vokatry ny fakan-kevitra nasionaly momba ny vehivavy malagasy sy ny varotra ivelany. Tetsy amin’ny Carlton Anosy no nanatanterahana izany omaly 22 Marsa 2022. Tafiditra ao anatin’ny fandrafetana ny arofenitra afrikana amin’ny fanatanterahana ny Faritra malalaka hifanakalozana ara-barotra (ZLECAF) ity hetsika ity. Marihana fa ny 21 marsa 2018 no nanaovan’i Madagasikara sonia ny ZLECAF ary manana ny enti-manana ara-teknika rehetra hidirana amin’io tsena io ny firenena malagasy.
Manome lanja ny indostria ny politika entin’ny Fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny famokarana ny vokatra ifotony ahafahana mifaninana eo amin’ny Tsena ZLECAF ary hasongadina manokana amin’izany ny vehivavy. Voakasika amin’izany ny vehivavy mpandraharaha toy ireo izay mivondrona anaty kaoperativa.
Manohana ary manamora ny sehatry ny fifanakalozana ara-barotra ny eto anivon’ny MICC.

Vous aimerez aussi...