Vaovaon’ny faritra IHOROMBE: Efa miparitaka eny amin’ny tsenakely ao amin’ny Tanànan’i Ihosy ihany koa ny Vary Tsinjo.

Faritra sy Distrika maro no efa misitraka ny Vary Tsinjo amin’ny vidiny 500ariary ny kapoaka. Azon’ny mponina jifaina eny an-tsena izany ho fanamaivanana ny fahasahiranana andavanandro.
Voahaja ny famatsiana tsy tapaka sy ny vidiny ara-drariny araka ny toromarika nomen’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny Fitaleavam-paritra omaly 23 febroary 2022 tany SOFIA.

Vous aimerez aussi...