Fiarovana ny mpanjifa

Fe-potoana tsy mihoatra ny 15 andro no nomena ireo mpivarotra mpaninjara sy mpivaro-kena eny Ampitatafika hitondrany ny fitaovam-pandanjana ampiasan’izy ireo ho tsaraina.
Ankoatra ny fampitandremana dia fepetra noraisina ho an’ireto mpivarotra eny Ampitatafika ireto ny tsy maintsy hitsarana ny fitaovam-pandanjany ato anatin’ny 10 hatramin’ny 15 andro.
Maro tamin’ireo mpaninjara sy mpivaro-kena ireo no mampiasa fitaovam-pandanjana sy vatomizana tsy ara-dalàna sy tsy nandalo fitsarana. Tao ihany koa ireo fitaovana efa aman-taonany no notsaraina farany. Hentitra ary nazava ny tenin’ireo tompon’andraikitra avy eto amin’ny Minisitera misahana ny varotra : « Tsy maintsy entinareo eny amin’ny Sampandraharaha misahana ny Refy sy Lanja eny Soarano ireo mizana sy vatomizana tsy misy taratasy fanamarinana ireo. Hiverina ny mpanara-maso afaka 15 andro ka handray ny fepetra sy hampihatra ny sazy sahaza an’io fandikan-dalàna io raha toa ka tsy voatsara ireo fitaovana ireo. »
Niara-dalana tamin’ny mpanara-maso avy amin’ny MIC ny Fikambanana Miaro ny Mpanjifa Malagasy (FIMPAMA) androany Alakamisy 29 Febroary 2024 tamin’ity fitsirihana tampoka teny Ampitatafika ity, taorian’ny fitarainana azo avy amin’ny mpanjifa mikasika ny fitaovam-pandanjana ampiasain’ny mpivarotra eny amin’iny faritra iny. Tonga teny an-toerana ny Tale misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC), ny Tale misahana ny Varotra Anatiny (DCI), ny Talem-paritra (DRIC) Analamanga.
« Manatanteraka ny fanaraha-maso isan’andro ny tsena izahay mpikambana ao anatin’ny FIMPAMA ary avy hatrany dia mampandre ny DPC raha vao misy ny fandikan-dalàna manimba ny mpanjifa», hoy ny Filohan’ny FIMPAMA, Michel Richard Razafindramanana.
Isan-taona moa no fitsarana fitaovam-pandanjana sy vato mizana ary tsy maintsy apetraka eo amin’ireny fitaovana ireny ny taratasy manamarina ny nahavitana izany fitsarana izany.

Vous aimerez aussi...